Aller au contenu

Emilson Daniel Andriamalala

Avy amin'i Wikipedia
Emilison Daniel ANDRIAMALALA
Ankapobeny
Anarana Emilison Daniel ANDRIAMALALA
Teraka 22 oktobra 1916
Toerana Toamasina
Maty 25 may 1975
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Madagasikara
Asa : Mpanoratra

Pôeta

Asa hafa Mpampianatra

Akademisianina

Fiainana manokana

I ANDRIAMALALA Emilson Daniel Tsiferana dia mpanoratra, pôeta, mpampianatra ary akademisiana, izay heverina ho rain' ny realisma malagasy. Fantatra indrindra amin' ny anarana hoe: E. D. Andriamalala na E.D.A izy.

Fiainana manokana

[hanova | hanova ny fango]

ANDRIAMALALA Emilison Daniel Tsiferana no tena anarany. Teraka tamin'ny 22 oktobra 1916 tao Toamasina. Zanak'i RAZAFITSIFERANA Randimby sy RAZAFINIRINA Marguerite. Nanambady an.dRAMIALINORO Berthe izy. Niteraka telo amby folo mianadahy izy ireo. Ny 25 may 1979 no nodimandry tao Itaosy i E.D.A.[1]

Mpanoratra

[hanova | hanova ny fango]

Fantatra amin' ny soniany ED Andriamalala ity mpanoratra ity, izay anisan' ny olo-malaza amin' ny literatiora malagasy. Niorina mafy tao anatin' ny fiarahamonina malagasy ny sanganasany, izay nitrandraka lohahevitra toy ny maha Malagasy, ny kolontsaina malagasy ary ny tantaran' ny fireneny malagasy. Nanomboka ny maha mpanoratra azy izy tamin' ny famoahana tononkalo tao amin' ny gazety isan-karazany toa ny Takavira. Taorian' izay, teo anelanelan' ny taona 1958 sy 1960, dia namoaka tantara fohy tao amin' ny gazetiboky toy Ny Nosy Manontolo, Dingana, Fanasina ary Hehy izy.

Manolotra fisaintsainana filôzôfika momba ny fisainan' ny Malagasy nandritra fanjanahantany. ny tantara foronina nosoratany tamin' ny teny malagasy. Samy hita tamin' ny asasorany ny ohabolana sy ny angano ary ny voambolana malagasy tranainy. Anisan' ny tantara noforoniny ny Fofombadiko (1954, nahazo ny Loka Akbaraly) sy ny Hetraketraka (1963) ary Ilay Vohitry ny Nofy (1970, Loka avy amin' ny Minisiteran' ny Fanabeazana), izay tafiditra ao amin' ny fandaharam-pampianarana ankapobeny eto Madagasikara.

Niresaka momba ny fanagasiana i Emilson Daniel Andriamalala tao amin' ny boky mitondra ny lohateny hoe Ny Fanagasiana, izay nivoaka tamin' ny taona 1974. Amin' ity asasoratra ity dia namaritra ny fanagasiana ho fampifanarahana amin' ny toetra sy fisainana malagasy izy, ka nandroso lohahevitra telo, dia ny fanagasiana ny fampianarana sy ny fanagasiana ny toekarena ary ny fanagasiana ny toetsaina.

Ankoatra ny tantara noforoniny dia nanoratra tantara an-tsehatra sy andrana an-dahatsoratra ary lahatsoratra fohy i Andriamalala, ka azo lazaina fa nitondra anjara biriky lehibe teo amin' ny literatiora sy ny kolontsaina malagasy. Zava-baovao tamin' izany fotoana izany ny fomba fanoratrany, izay niavaka noho ny fisian' ny fitantarana anaty fitantarana.

Nisy tamin' ny sanganasany ny nadika amin' ny teny frantsay, indrindra fa ny Ma promise tamin' ny taona 2020 sy ny Le hameau des rêves tamin' ny 2023, nadikan' i Johary Ravaloson.[2]

LOHARANO na Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

1-https://www.indigo-lemag.com/le-centenaire-de-la-naissance-de-ed-andriamalala-celebre/

2-https://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-54-1.html

  1. https://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/page-54-1.html
  2. 1-https://www.indigo-lemag.com/le-centenaire-de-la-naissance-de-ed-andriamalala-celebre/